Fanontoloana
Ny Fanontoloana, na fanatontoloana na mondialisation na globalization dia kamban-teny avy amin'ny teny hoe fanoto sy laona, ary nisy diso tsipelina kely ka raha tokony hoe fanotolaona no fanoratra azy dia ny hoe fanontoloana kosa no notazomin'ny akademia. Nalaina avy tamin'ilay ankamantatra malagasy hoe "Izy mivady no miady ka ny zanany no voatorotoro" ny hevi-dehibe fonosin'ny teny hoe fanontoloana. Araka izany, ny teny hoe fanontoloana dia ilazana toe-javatra anankiray izay isian'ny fifandirana na fifaninanana eo amin'ny lehibe anankiroa, ary ny kely kosa no lasibatra voalohany amin'izany fifandirana izany.
Ny ankamantatra voalaza etsy ambony moa dia milaza ny fitotoam-bary. Dia tsy misy hafa amin'ny akotry ianao rehefa lasibatry ny fanontoloana: afaka fotoana fohy ianao dia ho maivoka (à court terme), afaka fotoana antonontonony (à moyen terme) ianao dia ho fotsy, ary raha mitohy ela (à long terme) ny asan'ny fanontoloana dia ho torotoro toy ny lafarinina ianao.